Azo ampiasain'ny mpianatra Universite, mpiasa ary olon-kafa izay te hiteny tsara teny angliy ity lesona ity.
This course can be used by university students, professionals, and others who want to speak English well.
Manampy anao ireto lesona ireto hianatra hiteny anglisy ao anatin'ny fotoana fohy. Raha mianatra ora iray na roa isanandro ianao amin'ny horonampeo dia ho afaka hiteny anglisy tsara ianao ao anatin'ny enimbolana. Na eo aza izany ny fianarana teny anglisy dia mitaky fikirizana isanandro.
These lessons will help you learn to speak English in a short period of time. If you practice one or two hours each day with the lessons on the audio recordings, you should be able to speak simple English within six months. However, learning English will require hard work each day.
Samy afaka mampiasa ity lesona ity na ny mpianatra vao manomboka na ny efa mahay. Ny lesona dia tsy sarotra loatra ho an'ny mpianatra vao manomboka no tsy mora loatra koa ho an'ny efa mahay. Ny mpianatra mianatra samirery tsy misy mpampianatra dia afaka mampiasa azy ity koa. Na izany aza anefa, afaka mianatra manonona teny anglisy tsara ianao raha miara-mianatra amin'ny mpampianatra teny anglisy, ora roa isan-kerinandro.
This course can be used by both beginning and advanced English students. The lessons are neither too difficult for a beginning student nor too easy for an advanced student. They can also be used by students who want to study without an instructor. However, you will learn better pronunciation if you practice for two hours each week with an English teacher.
Misy fitsipika tsotra telo karazana arahina amin'ity fampianarana anglisy ity:
There are three simple rules to follow in this English course:
Mba ianaranao miteny anglisy tsara dia tsy maintsy teneninao mafy izy.
Zava-dehibe ny itenenanao mafy sy mazava tsara rehefa miana-desona amin'ny horonampeo.
1. To learn to speak English correctly, you must speak it aloud.
It is important that you speak loudly and clearly when you are practicing with the recorded lessons.
Mba ianaranao miteny anglisy misosa tsara, dia tsy maintsy mieritreritra amin'ny saina anglisy ianao.
Tsy "misaina" anglisy ianao raha vakinao ny valinteninao. Raha vao mazava tsara aminao ny fampiasana tsirairay, dia zava-dehibe koa ny amalianao tsy an-kijery ny lesona vita printy. Ny fampiasanao ny sainao mba hieritreritra tsara ny valinteny dia anisan'ny fomba iray lehibe ianarana fiteny.
2. To learn to speak English fluently, you must think in English.
You are not "thinking" in English if you are reading your answers. Once you understand each exercise, it is very important that you respond without looking at the printed lesson. Making your mind work in order to think of the answer is an important part of learning a language.
Arakaraka ny itenenanao tsara sy mafy ny teny anglisy no hahaingan'ny hahaizanao miteny misosa tsara koa.
Ny lesona tsirairay dia sarotra raha vao manomboka ianao. Na eo aza izany, arakaraka ny amerimberenanao azy, dia hahay hiteny tsara ianao. Tsy maintsy mamerimberina foana ianao ambara-pahafahanao mamerina misosa tsara tsy an-kijery ny lesona vita printy. Izao matetika no lazainay ny mpianatra: "Mianatra tsara kokoa ianao raha henon'ny ny sofinao ny vavanao miteny ilay teny anglisy madio."
3. The more you speak correct English aloud, the more quickly you will learn to speak fluently.
Every lesson will be difficult when you start. However, as you practice, you will learn to speak correctly. You must practice until you can repeat the exercises fluently without looking at the printed lesson. We often tell our students, "You will learn best when your ears hear your mouth speaking correct English."
Hahafahanao mampiasa ireto lesona ireto, dia mila Acrobat Reader sy Windows Media Player ianao ao amin'ny solontsainanao. Azonao alaina maimaimpoana avy ao amin'ny Home page ireo roa ireo rehefa kitihinao ny Download PDF Reader na ny Download Media Player. (Andramo sokafina ny lesona Download iray ary alefaso ny feo alohan'ny amoahanao na ny PDF Reader na Media Player. Raha tsy misokatra ilay lesona Download
, dia mila ny PDF Reader ianao izany. Raha tsy misy feo mihitsy
, dia mila ny Media Player ianao.)
To use these lessons, you will need both Acrobat Reader and Windows Media Player on your computer. Both can be downloaded free from the Home page by clicking on Download PDF Reader or Download Media Player. (Try opening a "Download" lesson and playing the sound before you download either the PDF Reader or Media Player. If the "Download" lesson will not open, you need the PDF Reader. If there is no sound, you need the Media Player.)
Kitiho eo amin'ny Help link ho fanazavana ny marika (icone) ampiasaina amin'ireo lesona ireo.
2. Click on the Help link for an explanation of the icons used in the lessons.
Raha vao manomboka lesona vaovao ianao, dia kitiho ny "icone"
Lesson Vocabulary. Ataovy printy ny pejy misy ny voambolana. Dia ianaro ny voambolana anglisy tsirairay ary soraty amin'ny fiteninao ny dikany. Soraty amin'ny bokikely fandraisanao an-tsoratra ny voambolana sy fomba fiteny vaovao mba ho ataonao fitondra miaraka aminao foana. Jereo matetika ireo voambolana ireo mandritra ny andro.
3. When you begin a new lesson, click on the Lesson Vocabulary icon . Print the vocabulary pages. Then study each English vocabulary word and write its meaning in your language. Write new vocabulary words and expressions in a small notebook that you can carry with you. Review vocabulary frequently during the day.
Kitiho eo amin'ny Lesson 1. Rehefa misokatra ny Lesson 1, kitiho ny "icone"
MEDIA. Ny feo henonao avy amin'ny horonampeo dia hilaza aminao hihaino ny ohatra ("Listen to the example"). Manaraka izay, haheno ny ohatra ataon'ny mpianatra sasany mamaly amin'ny teny anglisy ianao, satria mamerindesona koa ry zareo, mampiasa ny horonampeo. Ny ohatra amin'ny lesona roa voalohany dia mampiseho aminao ny fomba famaliana raha mianatra ianao. Mitenena mafy foana eo am- pamerimberenana ny lesona.
4. Click on Lesson 1. When Lesson 1 opens, click on the MEDIA icon . The voice on the audio recording will ask you to listen to the example ("Listen to the example"). Next, you will hear an example of students responding in English as they use the recording for their own English practice. The examples in the first two lessons show you how to respond as you study. Always practice the exercises by speaking out loud.
Rehefa manomboka lesona vaovao ianao dia mety ny mamaky ny lesona voasoratra eo am-pamerenana ny fampiasana amin'ny horonampeo. Na izany aza, rehefa azoano ny lesona ataovy tsy an-kijery ny fampiasana an-tsoratra ny fampiasana am-bava Ataovy ny fampiasana tsirairay ambara-pahaizanao manonona azy tsara araka izay ahenoanao azy amin'ny horonam-peo tsy an-kijery ny lesona an-tsoratra.
5. When you begin a new lesson, you may read the written lesson as you repeat the exercises with the audio recording. However, after you understand the lesson, do the speaking exercises without looking at the written exercises. Practice each exercise until you can say it exactly as you hear it on the recording without looking at the written lesson.
Raha mety aminao, ataovy ny fanazarantena sady mampiasa ny horonampeo mandritra ny ora iray na roa isanandro ao anatin'ny dimy andro anatin'ny herinandro. (Kitiho eo amin'ny See More.) Hanome anao ora 10 isan-kerinandro ianarana miteny teny anglisy ity. Ny zava-kendrenao dia mihoatra noho ny hoe hahaihay voambolana na hahazoazo ny dikan'ny fehezanteny fotsiny. Ny zava-kendrenao dia ny ho afaka hiteny misosa tsara ny fehezanteny ary mba ho azon'ny olona mpiteny anglisy rehetra mazava tsara koa izay zavatra lazainao.
6. If you are able to do so, practice the exercises using the audio recordings for one to two hours a day for five days each week. (Click on See More.) This will give you 10 hours of spoken English language study each week. Your purpose is much more than merely knowing the vocabulary words and understanding the meaning of the sentences. Your purpose is to be able speak each sentence so fluently that any English-speaking person can easily understand what you are saying.
Jereo ny fampiasana tamin'ny lesona teo aloha indray mandeha isan-kerinandro.
7. Review exercises from previous lessons once each week.
Azonao atao manakaiky ny solontsainanao ny fandraisampeo mba hanaovanao kopia azonao ampiasaina manokana. Amin'ny fandraisam-peo sy fanaovana printy, mampias ny AB isaky ny lesona avy amin'ny Home page na ny faritry ny Download
isaky ny pejy. Azonao adika ao amin'ny ilan'ny kasety 60 minitra iray ny antsasaky ny A, ary ao ambadika ny antsasaky ny B. Ny antsasaky ny A dia lava kokoa foana raha miohatra amin'ny antsasaky ny B mba ahafahanao mamadika avy hatrany ny kasety rehefa vita ny A.
8. You can place an audio tape recorder next to your computer speakers in order to make a tape cassette copy for your personal use. For recording and printing, use the AB part of each lesson from the Home page or the "Download" section from a lesson page. You can record the A half on one side of a 60-minute cassette recording tape, and the B half on the other side. The A half is always longer than the B half so that you can turn the tape over immediately after the A part is finished.
Ny zava-kendrena amin'ity fampianarana ity dia ny hampianatra anao hiteny anglisy tsara. Mampiasa fehezanteny anglisy fampiasa andavanandro ity fampianarana ity ary antonona ho an'ny mpianatra na izy vao manomboka na izy efa mahay. Ho an'ny mpianatra vao manomboka, ny fomba tsara indrindra ianarana miteny anglisy dia ny fampiasana fehezanteny fanao andavanandro eo amin'ny fifampiresahana. Ho an'ny mpianatra efa mahay, ny fomba tsara indrinda mba hampisosa ny anglisinao dia ny fampiasana ireo fehezanteny fanao andavanandro ireo ihany koa ambara-pahaizanao miteny azy tsara sady afaka manonona tsara koa. Ny anavahana ny mpianatra vao manomboka sy ny efa mahay dia tsy ny lesona ampiasainy akory, fa ny haben'ny fotoana laniny amin'ny lesona tsirairay. Izany no mahasarobidy ireto lesona ireto ho amin'ny fianarana mitohy. Isak'izay mamerin-desona ianao, dia mahazo tombony hatrany hatrany y fahalalanao miteny tsara ny teny anglisy.
The purpose of this course is to teach you to speak fluent English. This course uses normal English sentences and is suitable for both beginning and advanced students. For a beginning student, the best way to learn spoken English is to use normal sentences that are used every day in conversation. For an advanced student, the best way to become fluent in English is to use these same normal sentences until they can be said correctly with good pronunciation. The difference between a beginning student and an advanced student is not in which lesson they use, but is in how much time they must spend on each lesson. This is why these lessons are so valuable for continued study. Each time you review the lessons, you will gain greater English speaking fluency.
Ireto lesona ireto dia hanampy anao hiteny anglisy tsara ao anatin'ny antsasaky ny fotoana mety ho lanin'ny fampianarana mampiasa soratra sy fiisipipitenenana. Marina izany na ho anao mbola vao manomboka na ho anao efa nianatra teny anglisy taona maro. Ny fahasarotana lehibe andalovan'ny ankamaroan'ny mpianatra dia ny fianarana ny fampiasana tsara ireny matoanteny anglisy ireny. Hianatra ny fomba fampiasana ireny matoanteny anglisy ireny amin'ny fomba mahitsy ianao amin'ireto lesona ireto.
These lessons will help you speak fluent English in almost half the time as courses that teach spoken English with writing and grammar. This is true whether you are just beginning or if you have studied English for many years. Most students have the greatest difficulty learning to use the English verb correctly. You will learn how to use the English verb accurately in these lessons.
Ny zava-dehibe indrindra, tohizo foana ny fijerenao ny lesona ambara-pahafahanao mamerina misosa tsara ny fehezanteny tsirairay. Tsy mbola nahavita ny lesona akory ianao na dia efa fantatrao aza ny voambolana ary azonao ny fampiasana. Tena tsy mbola nahavita tanteraka ny fampianarana ianao ambara-pahafahanao mampiasa ny fehezanteny tsirairay misosa tsara eo amin'ny fifampiresahana amin'ny teny anglisy.
Most of all, continue reviewing the lessons until you can repeat each sentence fluently. You have not yet finished the course even if you know the vocabulary and understand the exercises. You have not truly finished the course until you can use each sentence in fluent English conversation.
Na aiza na aiza no misy anao eto amin'izao tontolo izao, dia mirary anao hahita fahombiazana eo am-pianarana teny anglisy izahay.
Wherever you are in the world, we wish you the best of success as you study English.
Nydian'ny Lehilahy hendry iray: Angano ho an'ireo Mpianatra Teny Anglisy
(The Journey of a Wise Man: A Fable for English Learners)
Zavatra hitan'ny lehilahy hendry iray: Angano ho an'ny Mpianatra Teny Anglisy
(A Wise Man's Discovery: A Fable for English Learners)
Lesson Text information: www.ethnicharvest.org